Aminkafaliana lehibe no ampahafantarako anareo maintimolaly Pata, mpiananatr’i Pata ary zanaka ampielezan’i Pata rehetra sy izay tsy mbola mahafantatra an’i Rija, Mpanoratra sy Mpikabary. Mpiara-mianatra fahiny izahay, Terminale D taona 1988-89 no iray dabilio, nifampitondra toy ny mpianadahy ary tsy adino mihitsy ny fitendreny zava-maneno rehefa culte tao amin’ny refectoire. 

Namoaka boky 2 i Rija, hamidy en ligne, « version électronique » izany.

1- MAINTY SY FOTSY

Boky mirakitra tantara feno fihetseham-po maroloko : alahelo, ady sarotra, hakiviana … Mahatsikaiky ihany koa.

2- BOKY NY TALENTA

Mirakitra tononkalo, sombin-tantara, kolontsaina sy famakafakana. Tsy adino ao anatin’izany i PATA MAMIKO.

Koa misaotra antsika rehetra sahady ny tenako amin’ny fandraisantsika anjara mividy ireo boky ireo.

Omeko eto ambany ny contact ahazoanareo an’i Rija momba ny fividianana izany.

  • Tel : 034 13 253 33 
  • Mail : rija.auteurmalgache @ gmail.com
  • Facebook : Rija Andriamiadana

Mankasitraka. Pata aloha vy ! 

Nivo Rassat