TENY GASY

 Tiako ianao ry teniko
ary haiko fa tsy ho neniko
ny milaza izany
ho ren’ny eran-tany

Tiako ianao ry teniko
satria taminao i Neniko
no nampianatra ahy hibada
hanonona hoe Dada 

 Tiako ianao ry teniko
satria taminao no henoko
ilay teny tena fy
tenin’ny Fitia 

 Tiako ianao ry teniko,
Tiako ka teneniko
Tsy atakaloko hafa
Fa entiko mitafa 

 Tiako ianao ry teniko
ka tsy maintsy teneniko
k’aleo hangasihasy
izay tsy miteny gasy

Raozigasy   (26/05/2004)