Mankasitraka eram-po, eran-tsaina amam-panahy
anareo niombom-po, niombon-tsaina hanavotra ahy
Fa ‘lay foko izay narofy sady vizana no reraka
indro tonga soa aman-tsara sady sitrana tanteraka.

Na ny manana hatao sy hasoavana miavaka
na ireo izay nitondra tao am-pony tamim-bavaka
Dia fisaorana mitovy, na firindra na fingadony
no atolotra azy ireo nosoniavin’ilay Radony.

Enga ho toetrantsika ka hitondra fiadanana
« Raha maratra izany vava, miainga hisafo eo ny tanana »
« Raha maratra koa ny tanana, io ny mitsoka eo ny vava »
Na samy hafa toerana aza: mifanampy lalandava. 

Rado (28/04/07)