Ho an’ny faha-115 taona Isan’ireo iraka frantsay mpamaky lay i Benjamin Escande sy Paul Minault ary vavolombelona nanatri-maso ny fanenjehana ny Protestanta

Ny tantara tsy fanadino ary fanoitra hoentina mibanjina ny ankehitriny sy ny ho avy. Noho izany dia noraisina ity tsingerintaona ity mba ho fampahatsiahivana fa ilaina ny fijoroana ho vavolombelona mahatoky, eny hatramin’ny fahafatesana aza, eo amin’ny finoantsika kristianina, araka ny teny faneva nanankinana izao fankalazana izao: « Tsy ataoko zavatra akory ny aiko mba hahavita ny alehako,…hanambara ny Filazantsaran’ny fahasoavan’ Andriamanitra »; Asa 20 /24. Io no fototra iaingan’ny hetsika isan-karazany manodidina ny faha-115 taonan’ny Pasitora Paul Minault sy ny Pasitora Benjamin Escande ary ny asa vitany teto Madagasikara. Voalohany amin’izany ny fampirantiana izay hita ao amin’ny Foibe FJKM Immeuble Ifanomezantsoa Analakely nanomboka· ny 24 Aprily 2012· teo, ny antsan-kira· « Takarivam-piderana » natao· tao amin’ny “Paroisse Internationale” Andohalo omaly alina nanomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva, izay namelomana· santionan’ireo hira tao Anatirova (Ratany sy Ramboatiana)· ary hiran’ny Maritiora ka nandraisan’ireto Antoko Mpihira ireto anjara : Orimbato Ambatonakanga, CA & CMA Ambohitantely , Amboarampeo Faravohitra ary ny FIFIFA Ambonin’Ampamarinana. Malalaka ny fidirana ary anasana ny mpianakavin’ny finoana tsy an-kanavaka. Ny Alahady 29 aprily 2012 amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny FJKM Katedraly Analakely, kosa ny fanompoam-pivavahana ho fisaorana an’Andriamanitra izay hanatanterahana raki-dehibe hoentina manavao ny Sekoly Benjamin Escande any Ambositra.

Tantara 

Teo anelanelan’ny taona 1895 sy 1898 dia nandalo vanimpotoana mivaivay ny Protestantisma teto Madagasikara. Ny voalohany dia ny fiatombohan’ny hetsiky ny Menalamba nitaky ny fiandrianam-pirenena ka nitarika ny olona hankahala ny vahiny sy ny fivavahana kristiana, ny faharoa dia ny hetraketraky ny Zezoita notohanan’ny fanjanahantany mba hanaisotra ny misionera protestanta sy ny fivavahana protestanata teto. Tao anatin’izany indrindra no nahatongavan’ny Misiona Protestanta Frantsay hanavotra ny protestantisma malagasy. Isan’ireo iraka frantsay mpamaky lay i Benjamin Escande sy Paul Minault ary vavolombelona nanatri-maso ny fanenjehana ny Protestanta. Nitety faritra maro teto Madagasikara izy nanazava fa azo atao tsara ny mijanona ho Protestanta na dia eo aza ny fanjanahantany. Tao anatin’izany fitetezam-paritra izany no namonoan’andian’olona tsy fantatra azy tao Ambatondradama, ny faha-11 May 1897, 115 taona lasa izay.

R.S 
Source: Gazetiko, 28 aprily 2012, lah. 4252