Mitohy hatrany ny fankalazana ny faha-110 ho an’ny Kolejy Protestanta Paul Minault, fantatra kokoa amin’ny fanafohezana hoe PATA. Hisy ary ny hetsika lehibe mifandraika indrindra amin’izany ny sabotsy 26 Febroary ho avy izao, izay anasan’ny komitin’ny tsingerintaona sy ny mpanabe rehetra ao amin’ny kolejy ireo Maintimolaly, mpianatra rehetra nandalo tao amin’ ny kolejy, sakaizan’ny PATA , ray aman-drenin’ny mpianatra ary  ireo namana sy tapaka tsy foy sady tsy mahafoy.
Ao amin’ny kolejy Androhibe ihany no hanaovana izany fihaonana izany, ka hanomboka amin’ny 8 ora maraina ny hetsi-pankalazana, amin’ny alalan’ny « carnaval » hiainga etsy Analamahitsy sampanana hiditra an’Androhibe.
Hitohy amin’ny  lalao ara-panatanjahantena (kitra, baskety) ny fety, amin’ny 9 ora. Lalao izay hifanandrinan’ny Maintimolaly, ny Mpanabe (ASPRO) ary ny FRAM. Amin’ny 12 ora sy sasany kosa ny sakafo PATA Ambohimpihaonana. Ao amin’ny efitrano malalaky ny sekoly ihany ny toerana hisakafoana.
Nambaran’ny mpikarakara hatrany fa ny taratasy fanasana sy ny famandrihan-toerana dia efa azo raisina sy atao eny amin’ny kolejy, hatramin’ny alakamisy  hariva izao.

Courrier de Madagascar