1. 1. NY TANTARAN’NY KOLEJY PAUL MINAULT

1.1. Ny “tontolo ara-tantara” ankapobeny teo amin’ny fanombohan’ny “fanjanahantany”

Tao anatin’ny fotoan-tsarotra no nanorenana ny Kolejy Paul Minault. Tsy hafa izany fotoan-tsarotra izany fa ny fiandohan’ny fanjanahan’i Frantsa an’i Madagasikara, vanim-potoana nahatongavan’ny Jeneraly Joseph Simon Galliéni, nirahin’ny Fitondram-panjakana frantsay hanorina ny ho “fotra” haha zanatany an’i Madagasikara izay, raha bangoina fohifohy, dia mifantoka amin’ireto : ny fampandrian-tany ka hahazoana mifehy tanteraka ny vahoaka Malagasy, ny ho endri-panabeazana hampandohalika ny Malagasy eo anatrehan’ny  “sivilizasiona frantsay” ary ny ho endri-pitrandrahana ny harena misy eto amin’ity Nosy ity. Nampitondra faisana ny Protestantisma Malagasy ny fanatrarana ireo tanjona ireo satria niantraika hatrany amin’ny “vololon’ainy” mihitsy noho ireto :

  • Nararaotan’ny Zezoita ny saritaka niseho teto ka niampangany an’ireo misiona protestanta efa-tonta niasa teto dia ireto avy : ny L.M.S.[kongregasionalista - presbyteruiana], ny F.F.M.A.[frenjy nateraky ny Friends’ Foreign Mission Association], ny N.M.S.[Norske Misjonselskap, misiona loterana avy any Stavanger, Norvezy], ny S.P.G [Society for the Propagation of the Gospel, anglikana], ho kitro nifaharan’ny “Fanjakaa Merina” sy ny “fanoherana an’i Frantsa”. Izany no nampidradradradra ireto Zezoita ireto fa : “Ny mpanara-dia ny Frantsay dia tsy maintsy mivadika ho katolika fa izay mitoetra ho Protestanta kosa dia mpanohitra ny Frantsay fa mbola mpomba ny Anglisy”. Ankoatra ny famhafatesan’Ing. Johnson telo mianaka tao Arivonimamo (izay niniana novoizina fa asa ratsin’ny Menalamba) dia maro ireo mpino protestanta tany amin’ny faritr’Ambatomanga, Ivakinankaratra, Ambositra, Ifianarantsoa no noterena hivadika ho Katolika ary dia nalain’ireo Zezoita an-keriny hatramin’ny trano fiangonana protestanta. Mba hampitsaharana ny “fikomiana” sy hamoretana ny Protestanta dia nanolo-kevitra an’Ing. Galliéni Ing. Rasanjy (notendren’ny Frantsy ho Praiministra nisolo an-dRainilaiarivony taorian’ny filavoan-defon’ny Tafika Malagasy, nialoha ny haha zanatany an’i Madagasikara) fa mety ny “manameloka ho faty” roa amin’ireo andrarezin’ny “Fanjakan’i Madagasikara” sady andrarezin’ny Protestantisma Malagasy ! Dia natsangana ny “fitsarana” peta-toko nanamelohana an’Ing Ratsimamanga izay anadahin-drenin-dRanavalona III ([1]) sy an’Ing. Rainandriamampandry ([2]), olo-malazan’ny fanoherana ny fananiham-bohitra sy Raiamanrenin’ny Protestantisma Malagasy.
  • Nanapa-kevitra Ingahy Governora Jeneralin’i Ftantsa fa mba hahazoa-mifehy ara-tsaina ny Malagasy dia ireto no fepetra noraisiny sy nampihariny :

-        Tsy maintsy ny teny frantsay no enti-mampianatra any an-tsekoly ary tsy maintsy manana diplaoma frantsay ireo rehetra mpampianatra amin’ny sehatra rehetra ! Maherin’ny 80 % amin’ireo sekolim-piangonana no tsy maintsy hakatona rehefa ampiharina io fanapahan-kevitra io ary dia hiantraika mafy amin’ny amin’ny Sekolim-piangonana protestanta, tsy teto an-kibon’Imerina ihany fa hatrany amin’ny faritra rehetra nanorenan’ny L.M.S. sy ny F.F.M.A. sekoly izany !

-        Nofoanan’Ing. Galliéni ny “haingon’ny toeram-pibeazana sy fianaran’ny Protestantisam” dia ny “Kolejin’ny L.M.S.” tao Faravohitra” ([3]), tamin’ny janoary 1897. Voatery nikofoka ny Protestanta mba hihazonana ny sekoliny sy hiarovana ny finoany, izany no niantsoan’ny L.M.S. vonjy tamin’ny Société des Missions Evangéliques de Paris (S.M.E.P.)

1.2. Ho famonjena ny Protestantisma malagasy

Tao anatin’izany “tontolo ara-tantara” (contexte historique) izany no nahatonga ny L.M.S. niantso vonjy tamin’ny Société des Missions Evangéliques de Paris (S.M.E.P.) mba hanome tànana an’ireo misiona protestanta miasa eto Madagasikara ireo. Sehatra roa no noheverin’ny L.M.S. sy ny S.M.E.P. fa tokony hovonjena haingana : ny Fiangonana protestanta sy ny sekoly protestanta.

  • Mba hamonjena ny Fiangonana protestanta, raha mbola tsy navarina ho “zanatany frantsay” i Madagasikara, dia ny nandefasana an’Ing. Lauga, Mpitandrina, mba hisahana ny “fitaizam-panahy” (chaplaincy - aumônerie) tao amin’ny Fiangonana Anatirova, no nihazakazahana. Ity mpitandrina protestanta frantsay ity no nampahery sy nitantana an’Ing. Rainandriamampandry hatreo amin’ny tsatoka namatorana azy hotifirin’ny miaramila frantsay ho fampiharana ny didim-pitsarana nanameloka azy ho faty ! Taty aoriana moa dia notoloran’ny L.M.S. faritany hiasany ny S.M.E.P. ka uzay no nipoiran’ilay nantsoina hoe : “Mission Protestante Française à Madagascar” na ny M.P.F. Ireo faritra nanamparan’ny Zezoita, izay notohanan’ny ampahany tamin’ireo manamboninahitry ny tafiky ny mpanjanatany ftantsay, ny hery amam-pahefany no natolotra ny M.P.F. : Ambatomanga, Ambositra, ankoatra ireo faritra sasany niasan’ny Isan(Enimbolan’Imerina tany amin’ny faritra andrefana avaratra sy avaratr’i Madagasikara.
  • Ho famonjena ny Sekoly protestanta kosa dia manam-pahaizana momba ny famolavolana mpampianatra no nalefan’ny S.M.E.P. ka isan’ny maro tamin’ireny Ing. Gustave Mondain, tondroina tamin’ny anaram-petaka hoe : “Lahimatoan’i Frantsa”, nivoaka tao amin’ilay sekoly ambony malaza dia ny Ecole Normale Supérieure (Normale Sup) niravaka ny Agrégation ! Ny fitantanana ny fanomanana mpampianatra mba ho afaka hiadina hahazoana ireo “diplaoma frantsay” no laharam-pahamehana nosoritana sy narahina. Azo sokajina ho ao anatin’izany “paikady” izany ny fananganana ny Kolejy Paul Minault tamin’ny 22 janoary 1901.