Misy ny fahatsiarovana toy ny:
-          boky faha-110 taona (amidy 10 000Ar.)
-          tee-shirt (amidy 10 000Ar.) amin’ireo fotoana ireo.
Misokatra ihany koa ny "buvette"-ny Sekoly mandritra io fotoana io.

Alahady 25 martsa 2012 eny amin’ny Katedraly FJKM Analakely
- 2 ora sy sasany tolakandro: fanompoam-pivavahana famaranana.

Manantena ny fahatongavanao ary mba hilazao ny namana mifanerasera na sendra tafahaona aminao.PATALOA VY !

Amin’ny anaran’ny vaomieran’ny serasera.

Association PATA MAMIKO:
émail: -  Tél: +261.32.02.593.88 

Kolejy Paul Minault:
émail:- Tél: +261.20.22.421.21

=======================================================================

ANDRON'NY SEKOLY

Ry namana,

Fifaliana ho an’ny ratsa-mangaikan’ny Sekoly ny mampahafantatra anao ny fisian’ny “Andron’ny Sekoly” izay hatao eny Androhibe ny 16 sy ny 17 febroary 2012.

Alakamisy 16 febroary:

-          8 – 10 ora: fanadiovana efi-trano;
-          10 – 12 ora: fizarana isan-kilasy “parcelle, jardin”;
-          1.30 – 5 ora tolakandro: hetsika ara-koltoraly, fifanitsanana “Miss – Mister”.

Zoma 17 febroary:

-          8 – 11.45: lalao isan-karazany, famaranana (Foot, Basket), dihy ankalamanjana iraisan’ny daholobe;
-          12 – 1 ora: Sakafo “TOKO LAVA”;
-          1.30 – 5 ora tolakandro: hetsika ara-koltoraly, famaranana “Miss – Mister”.

Asaina manokana ny Maintimolaly mba hiara-misakafo amin’ny “TOKO LAVA”. Misy fandraisana anjara mirary amin’izany. Aoka hilaza mialoha (020 22 421 21) mba hiomanan’ny Sekoly.
Tongava maro, fa vanim-potoan-dehibe ireo daty ireo.
Amin’ny anaran’ny vaomieran’ny serasera.

Kolejy Paul Minault
Androhibe Antananarivo
Tél: 020.22.421.21

L2hvbWUvcGF1bG1pbmEvd3d3L2ltYWdlcy9zdG9yaWVzL3Byb2ZzX3BhdGEucG5n

 

JOBILY RAMOSE DOFA

Ho fisaorana azy tamin'ny asa fanabeazana vitan'Andriamatoa Raharihasina Asolo, (Ramose Dofa) dia hisy fotoam-pivavahana, hanasana antsika rehetra.

36 taona nanasoavana teo amin'ny sehatry ny fanabeazana Protestanta izy nanomboka ny taona 1980 hatramin'ny 2011, ka ny ampahany betsaka dia  teny Androhibe Kolejy Paul Minault.

Ny fotoana dia hatao ny Alahady 13 Novambra 2011 manomboka amin'ny 2 ora sy sasany, eny amin'ny Tranovato FJKM Ambatonakanga Antananarivo.

Misy valopy eny an-toerana ny androtr'io, ahazoana maneho fisaorana sy fankasitrahana azy. Taomy avokoa ireo nahazo soa tamin'ny zava-bitany amin'izany fotoan-dehibe izany: mpiara-miasa, namana, ray aman-drenin'ny mpianatra, tapaka sy namana, mantimolaly, sakaizan'ny PATA.

A.Ramahery (26/10/2011)