Nentanin’ny fifankatiavana ireo tranainy ka nifanainga ho any an-tokantranon’Andriamatoa RAMANJATOSON Mamy mivady hifandom-bera sy hifametsovetso indray ny lasa tsy hay adinoina tao amin’ny PATA ary indrindra koa namisavisa ny ho avy ho entina hanasoa hatrany ny sekoly malala.

tambatra

 Ramiandrisoa Lalaina (26/03/2012)
Vaomiera Serasera - Antananarivo

Famaranana ny fankalazana ny Jobily faha-110 taonan’ny
Sekoly Paul Minault tao Bordeaux France - 22 Janoary 2012

Ho famaranana ny fankalazana ny faha-110 taonan’ny sekoly Paul Minault (Antananarivo), sekoly manana ny lazany noho izy niaviana olo-manga maro eto amin’ny firenena, ary fantatra amin’ny anaram-bositra hoe PATA, dia nanatontosa fotoam-pivavahana ny Fikambanan’ny maintimolaliny any Frantsa, ny alahady faha-22 janoary 2012, tao amin’ny « Temple du Hâ » ao Bordeaux (Frantsa), fotoana izay notarihin-dRakotoarimanana Ndranto mpitandrina, mpianatra avy tao amin’ny sekoly ihany koa.
Nisy fiaraha-misakafo nokarakarain’ireo mpiara-miangona ao amin’ny fiangonana ao Bordeaux taorian’ny fotoam-pivavahana. Izany dia nahazoan’ireo maintimolaly, tapaka sy namana nitafa, nikorana, ary nifampidinika momba ny hoavin’ny sekoly.

Mba ho mariky ny fankalazana ary ho fanatontosana ny fanirian’ny Fikambanan’ny maintimolaly any Madagasikara, dia tapaka fa hisy antso avo hatao amin’ireo maintimolaly ampielezana manerana an’i Eoropa, sy any amin’ny firenen-dehibe hafa any Etazonia, Canada, Afrika, ireo Nosy ao amin'ny oseana indiana, hanao fanomezana izay foiny mba hahazoam-bola hividianana milina fikajiana (Ordinateur) ho an’ny tetikasa « laboratoire informatique » ho tsangambaton’ny taon-jobily ny sekoly, izay eny Androhibe Antananarivo - Madagasikara.

Atsipy àry ny tady ho eny an-tandroky ny omby, atsipy ny teny ho ao am-pon’ny mahalala !
Mandraisa anjara ary ry namana aman-tsakaizan’ny PATA, fa ny soa nahavanona anao ankehitriny, dia nolovaina tao amin’io sekoly mamintsika io.

Savorovoron'ny hata-po. Zé.
Pata aloha vy ! 
Sangorongorona Taboum.

Rakotomalala Yolande (25/01/2012)
Fikambanana PATA - Frantsa

dsc03941